Malagasy
Riba
Famaritana |
Ny Riba dia tsy inona fa ilazana ireo kolon-tsaina sy fomba amam-panao ao amin’ny firenena iray.
Ka ny foto-pisainan’ny Malagasy mikasika lohahevitra efatra ambin’ny folo no zohintsika eto;
(Tsy maintsy mianatra ohabolana sy tenin’ny mpandinika 4 avy fara fahakeliny isaky ny lohateny iray)
Tsiahy
Mizara roa ny endri-panadinana: (Safidy A,C,D, Techno)
- Fanontaniana roa (02) tsy maintsy valiana; izay ny iray momba ny literatiora ary ny iray momba ny riba. (Hahazoana isa telo avy ireo)
- Isafidianana ny laza adina A sy B (Safidy A,C,D, Techno, Pro). (Na hanao famakafakan-kevitra na hanao fanadihadiana lahatsoratra)
Ka ny zavatra ataontsika anio dia ny famerenana ireo lohahevitra 14 ao amin’ny Riba izay sady ampiarahantsika amin’ny fanomanana ny famaliana ny fanontaniana madinika.
- Famerenana : Ny antsoina hoe marina dia izay tena izy amin’ny zavatra na toe-javatra iray, izay tena nitranga tsy namboamboarina, tsy nanampiana na nanesorana.
- Fanontaniana :
Inona ny famaritana hafa azo ilazana ny marina? (Ara-piarahamonina, ara-tsiansa, manaraka ny valam- pamaritana)
Inona no antsoina hoe filaza marina? Ny hevitra marina? Ary olo-marina?
Inona ny vokatry ny fampiharana ny marina? (Voka- tsoa sy voka-dratsy)
- Famerenana : Ny rariny dia izay tokony ho izy amin’ny zavatra na toe-javatra iray.
Ny rariny dia fandaminam- piarahamonina mametraka ny olona tsirairay avy amin’ny toerana sahaza azy manaja ny zo aman-kasina ananany arakaraka ny maha izy azy.
- Fanontaniana
Rehefa inona no mitranga dia milaza ny olona iray fa tsy rariny izany?
- Famerenana : Ny hitsiny dia ilazana ireo fepetra ara-piarahamonina tsy maintsy arahina mba tsy ho diso sy handehanana amin’ny làlana mazava.
Ny hitsiny ihany koa dia ilazana ireo fitsipika, lalàna, didy, dinam- pokonolona mamaritra ny azo atao sy tsy azo atao eo amin’ny fiaraha- miaina.
- Fanontaniana : Inona no manahirana amin’ny fampiharana ny hitsiny?
Inona no tiana hambara amin’ny fiteny hoe: raha ny rariny sy ny hitsiny?
- Famerenana : Ny Olombelona dia zava-manan’aina noharian’Andriamanitra miavaka amin’ny zava-boaary hafa rehetra, noho izy manana saina, fanahy, fo mirafitra ao amin’ny vatana iray.
- Fanontaniana : Inona ny anjara asan’ireo singa mandrafitra ny olona: Ny aina, ny vatana, ny saina, ny fanahy?
Inona avy ireo sehatra telo ifandraisan’ny olombelona?
- Famerenana : Ny aina dia hery fototry ny fahavelomana eo amin’ny zava-boary manana azy.
Toetry ny aina: mihelina; mandalo; mety ritra na tapitra, sarobidy ka mila tsimbinina.
Ny antsoina hoe taranaka dia ireo olona iray razana na loharano niaviana.
- Fanontaniana : Inona avy no atao amin’ny fitsimbinana ny aina?
Inona avy ireo teny fiantso ny zanaka?
Milazà ohabolana mampiseho fa sarobidy ny zanaka?
Inona ny lanjan’ny taranaka eo amin’ny fitsimbinana ny aina?
- Famerenana : Ny fanahy dia ilazana ireo toetra , fihetsika, fitondran-tena, fahaiza-miaina manoloana ny mpiara-belona. Ny fanahy dia ilay eritreritra mivoaka ety ivelany ka maneho ny toe- panahin’ny olona.
Ny fanabeazana sy ny fibezana no manefy ny toe-panahin’ny olona
- Fanontaniana : Hazavao ireto toe-panahy ireto: Tsara fanahy – Ratsy fanahy – Tsy misy fanahy – Malemy fanahy – Fotsy fanahy – Tanora fanahy – Anti-panahy – Fanahin-jaza – Fanahin’adala – Fanahin’alika – Fanahy iniana
Inona avy ireo ambaratonga telon’ny fananam-panahy? Inona ny vokatsoan’ny fananam-panahy?
Inona ny voka-dratsin’ny hatsaram-panahy?
- Famerenana : Ny Tsiny dia ilazana ny hery manasazy ny olombelona diso eo amin’ny fitondran-tena (Diso amin’ny fitondran-tena = Tsy mahatanteraka adidy – tsy mahatanteraka fombam-panajana – manao ny tsy tokony atao).
- Fanontaniana : Manao ahoana ny endrika isehoan’ny tsiny?
Inona avy ny karazana tsiny?
Ahoana ny fomba hisorohana ny tsiny?
- Famerenana : Ny Tody dia fiverenan’ny atao, valin’ny natao, vokatry ny natao na ratsy na tsara.
- Fanontaniana : Manao ahoana ny endrika isehoan’ny tody?
Manao ahoana ny lalàna mifehy ny tody?
Inona ny vokatry ny finoana ny tody?
- Famerenana : Ny vintana dia hery noraisin’ny tsirairay avy, avy amin’ny herin’ny kintana nilahatra sy nirindra teny amin’ny habakabaka tamin’ny fotoana nahaterahany ka nandrindra ny zotram- piainany
- Fanontaniana : Inona no hevitr’ireto teny ireto: Tsara vintana – Ratsy vintana – Totoim-bintana – Mahery vintana – Mifaniho vintana – Manam-bintana – Vitam-boka – Mpanandro – Tonon’andro?
- Famerenana : Ny lahatra dia fomba nandaminan’Andriamanitra ny zotram-piainana tsy maintsy lalovan’ny olona iray.
Ny lahatra ihany koa dia ny sokajy misy ny zavatra rehetra. Oh: vavy/lahy, mpifehy/fehezina, zoky/zandry
- Fanontaniana : Iza avy no mpandahatra?
- Famerenana : Ny anjara dia zavatra na toe-javatra voatokana hitranga amin’ny fiainan’ny olona iray: vady, harena, fahafatesana, sokajim-piainana.
- Fanontaniana : Avy aiza ny loharano ipoiran’ny anjara?
- Famerenana : Fitondran’Andriamanitra ny fiainan’ny olona iray ka nampiavaka azy tamin’ny maro. Antso manokana mahatonga ny olona iray ho hafa sata mitaha amin’ny hafa
Oh: lasa filoha. Izy irery no maty tamin’ny fotoana iray na tamin’ny loza nitranga, na izy irery no velona. - Fanontaniana : Iza avy no mpanendry ?
- Famerenana : Ny razana dia ilazana ireo maty vita fomba araka ny fanao isam-paritra. Izy no manelanelana ny velona amin’Andriamanitra ka manan-kasina izy noho izany. Mivavaka amin’ny razana ny Malagasy noho ny finoany fa mitondra fitahiana ny razana. Hajainy sy omeny hasina avokoa izay rehetra momba ny razana; toy ny tanindrazana, ny fasan-drazana , ny fadin-drazana, ny fomban-drazana……
- Fanontaniana : Ny sokajin’olona manao ahoana no tsy lasa razana?
- Famerenana : Hery ambonin’ny hery rehetra. Ilay masina sy avo indrindra namorona izao rehetra izao. Tompon’ny hery, tompon’ny aina, tompon’ny anjara… tompon’ny zava-boary noforoniny ka manam-pahefana amin’izany.
Fanontaniana : Milazà toetra telo ananan’Andriamanitra.
FAMAKAFAKAN-KEVITRA
Famaritana |
Ny famakafakan-kevitra dia asa saina natao handalinana na ohabolana na tenina mpandinika mifono foto-dresaka iray na roa.
Oh1: “ Ny marina tsy mba maty”
Oh2: “ Ny olona mpandala ny marina ihany no afaka manao ny rariny”.
Fanamarihana |
Marihina fa tsy maintsy voafehy ny fahalalana voakasiky ny fandaharam-pianarana vao afaka manao famakafan- kevitra.
Faharoa tsy mety ny famakafakan-kevitra rehefa tsy afaka manaporofo izay zavatra lazainy ny mpanao famakafakana isan’andininy ao amin’ny famelabelarana
Misy karazany roa (02) ny famakafakana dia ny famakafakana tsotra sy ny famakafakana misy tsikera
- Fampahatsiahivana :
zavatra takiana amin’ny mpamakafaka dia ny hanazava ilay
lohahevitra sy hanamarina izay voalazany amin’ny alalan’ny porofo mazava. Alamina manaraka izay ny asa fanomanana.
Zava-dehibe ny asa fanomanana vao miroso amin’ny tena asa famakafakanaFANDINIHANA LOHAHEVITRA
– Vakiana ny lohahevitra
– Avoaka ny foto-dresaka atao ao anaty mahitsy zoro mba hiavaka tsara
– Tsipihina izay teny na andian-teny entina manazava io foto-dresaka io
– Avoaka avy amin’izay ny hafatra na foto-kevitra tian’ny lohahevitra hampitaina amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe: “Inona momba ny foto-dresaka no voalazan’ireo teny voatsipika”.
– Avoaka avy amin’io hafatra io ny olana ?
- Fampiharana
Hoy Ntaolo : “ Ny hitsiny tsy aritra ; ny rariny tsy enti- mandefitra”.
Avoaka ny hafatra na foto-kevitra amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe : Inona momba ny hitsiny sy ny rariny no voalazan’ny hoe : “Tsy aritra” sy ny hoe “Tsy enti-mandefitra”.
• Hafatra na foto-kevitra: misy fihetsika takiana amin’ny fampiharana ny hitsiny sy ny rariny.
Misy fanamarihana kely eto: raha tianao ho fantatra hoe marina ve io hafatra (na foto- kevitra) hitanao io dia avadika ho fanontaniana fotsiny ilay hafatra. Raha toa ka ireo teny voatsipika no valin’ilay fanontaniana dia marina izay ilay hafatra ary iny fanontaniana iny no olana.
Ohatra: Inona avy tokoa moa ireo ireo fihetsika takiana amin’ny fampiharana ny hitsiny sy ny rariny?
(jereo raha ilay teny voatsipika ny valiny…..ary satria eny dia marina ilay hafatra ary io fanontaniana io no olana ka io no apetraka amin’ny teny fampidirana fa tsy miditra ilay foto-kevitra”
• Ho an’ireo sady mila foto-kevitra no mila olana eo amin’ny teny fampidirana kosa dia izao no atao:
Ampidiririna ny foto-kevitra dia avy amin’io foto-kevitra io no manatsoaka fanontaniana atao olana
Ohatra: foto-kevitra : Misy fihetsika takiana amin’ny fampiharana ny hitsiny sy ny ny rariny .
Olana : inona avy tokoa moa ireo fihetsika takiana amin’ny fampiharana ny hitsiny sy ny rariny?
FIKAROHAN-KEVITRA
- Jerena ny fizarana ao amin’ny lohahevitra.
- Manao tsanganana mifanitsy amin’izay fizarana izay ka atao lohateny ilay fizarana.
- Ampidirina ao amin’ny tsanganana izay hevitra tonga ao an-tsaina heverina fa dikan’ilay lohateny.
• Fampiharana ny fandinihana lohahevitra sy fikarohan-kevitra
Ohatra: Hoy ny mpandinika iray:
“ Anjara ? … fialan-tsiny ho an’izay resy tsy miady fa fanoitra kosa ho an’izay te ho velona”.