Avy amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny (PAMF) sy ny Orange Money no nisian'ny tolotra M-Kajy (“M” ho an'ny finday ary “Kajy” ho an'ny “Tetikasa, tahiry na koa fanangonam-bola…”) dia vahaolana vaovao ho an’ny olon-drehetra izay manana kaonty Orange Money, ahazoana tolotra fampindramam-bola sy tahiry.
Rehefa avy nisoratra anarana tamin'ny tolotra ianao dia miditra amin'ny menu Orange money #144#, misafidy ny 4 "opérations bancaires", safidio ny “M-Kajy” ary araho ny toromarika: ho an'ny fampindramam-bola na ho an'ny tahiry.
Andao hanakaiky kokoa ny mpanjifa amin'izay tena ilainy.
Jereo ato ny fepetra ankapoben'ny amin'ny fampiasana M-kajy
Jereo ato M-kajy Pro
Jereo ato ny fepetra ankapoben'ny amin'ny fampiasana M-kajy Pro
M-baobab dia servisy fampindramam-bola sy fitahirizam-bola an'ny Baobab Banque hita ao amin'ny Orange Money.
Findramam-bola manomboka amin'ny 1 000 Ar hatramin'ny 500 000 Ar azo averina ao anty 60 andro.
Fisoratana anarana mora sy azo atao lavitra-azo atao 24ora/24ora ary 7andro/7 amin'ny fidainao.
Ahoana ny fidirana ao ?
Tsindrio ny #144#
Jereo ato ny fepetra fampiasana ny M-Baobab
Manana kaonty Acces Banque ve ianao ?
Azo atao ihany koa ny manao findramam-bola amin'ny alalan'ny Orange Money raha mahafeno ny fepetra ianao.