Fandoavam-bola amin'ny karatra VISA

front-visa

 

Carte VISA

Ny tolotra VISA Akory dia ahafahanao mamorona laharana VISA , hividianana  entana amin’ireo tranokala maro maneran-tany, voaloa eo noho eo amin'ny kaonty Orange Money anao. 

Midira amin'ny application  Orange Money Afrique ary tsindrio ny toro « VISA » na tsindrio ny #144#6 ary araho ny toro-lalana.

 

1- Famoronana karatra VISA Akory :

Rehefa tafiditra ao anaty menu, dia asaina ianao hanaiky ny CGU.

Rehefa vita ny fanekena ny CGU, asaina ianao hanamarina ny famoronana ny karatrao sy ny fandefasana ny mombamomba anao any amin'ny VISA amin'ny alàlan'ny kaody miafina Orange Money.

Rehefa vita ny famoronana ilay karatra :

  • Ny karatra dia mifandray amin'ny kaontinao Orange Money anao
  • Haharay fanamarinana  ny famoronana karatra miaraka amin'ny antsipiriany ianao.

 

2- Fangatahana antsipirihan'ny karatra VISA Akory :

Isaky ny  mividy/mandoa vola, dia mila  mangataka ny antsipirian'ny karatrao araky  ny dingana voalaza etsy ambany :

Rehefa ao amin'ny menu, dia hanamarina ny fangatahana ny antsipirian'ny karatrao amin'ny alàlan'ny kaody miafina Orange Money ianao.

Aorian'izay , Haharay fanamarinana  amin'ny antsipirian'ny karatrao ianao mba hahafahanao mividy/mandoa vola.

Sarany sy ny fetran’ny vola

1- Sarany

  • Famoronana karatra 0Ar

  • Fangatahana ny atsipiriany momba ny karatra 0Ar

  • Fandoavam-bola 1000Ar
  • Fanafoanana/Famerenana 0Ar
  • Fanakatonana ny karatra  20 000Ar

2- Fetran’ny vola

  • Isaky ny mandoa vola 5 000 000Ar
  • Isan’andro  5 000 000Ar
  • Isan-kerinandro 35 000 000Ar