Orange dia mpisehatra azo antoka manome ho an'ny rehetra ny fanalahidin'ny tontolo nomerika ho an’ny fandrosoana lovainjafy. Ny tanjonay dia ny hametraka ny nomerika ho fanajana ny maha-olona, ho fampitoviana ny zon'ny rehetra ary hitondra vokany tsara sy maharitra,ao anatin’ny sehatr’asa rehetra izay misy anay. Orange dia mamokatra teknolojia sy servisy vaovao hatrany, amin’ny alalan’ny fandraisan'andraikitr'ireo vehivavy sy lehilahy ao anatin’ny vondrona Orange sy ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Tao anatin’izay 20 taona nijoroanay teto Madagasikara izay,
dia namaritra sehatr'asa 6 izahay andraisanay andraikitra, izay mamaly ny hetahetan'ireo mpiara-miombona antoka :
Ny vehivavy sy ny lehilahy mpiara-miasa ato amin'ny Orange no loharanon-karenanay. Te hanolotra ho azy ireo ny tsara indrindra izahay, amin’ny alalan’ny fijerena ny maha-olona, ny tsy fanavakavahana ary ny nomerika. Raisinay am-po ny fanomezana azy ireo tontolon’ny asa tsara, fampiharana ny fitovian-jon’ny rehetra, ary fampivelarana ny fahaiza-manaon’ny tsirairay, indrindra ao anatin’ireo sehatr'asa vaovao mahakasika ny data, ny cloud, ny cybersécurité na ny IA.
Ny tanjon’ny Orange dia ny mba ahafahan’ny Malagasy tsirairay avy misitraka ny servisy nomerika. Miezaka izahay mitondra ny tambajotra Orange manerana ny nosy, eny, hatrany amin’ny tontolo ambanivohitra.
Manome fampiofanana momba ny nomerika sy fitaovana maimaim-poana izahay eny anivon’ny Orange Digital Center sy ny FabLabs Solidaires. Manandratra ireo vehivavy izay mbola vitsy dia vitsy ao anatin’ny sehatr’asa nomerika izahay, ary mifantoka ihany koa amin’ireo ankizy izay ho avin’ny firenena.
Orange Money dia manolotra servisy ara-bola maro sy mihavao
hatrany, izay afaka sitrahan’ny Malagasy rehetra. Mampitombo ny isan’ireo cash points izahay mba hanakekezana ny mpanjifa, ary manolotra azy ireo ny tolotra ara-bola tsara indrindra azo antoka sy azo hitokisana. Ary mba hahafahan’ny mpanjifa mampiasa ny servisy am-pitoniana tanteraka dia mampianatra azy ireo momba ny fampiasam-bola sy ny fiarovana ny kaonty Orange Money izahay.
Orange dia mandray anjara lehibe amin'ny fikajiana ny tontolo iainana ary mikendry ny ho "Net Zero Carbone" amin'ny 2040. Izany tanjona izany dia midika fanenana ny famokarana gazy karbonika, fampiasana angovo azo avaozina, fampiasana materialy nohavaozina amin’ny asa andavan’andro ary fanodinana ireo fako sy ireo zavatra rehetra izay tsy ampiasaina intsony mba ho lasa fidiram-bola indray. Mba ahafeno ny paikady, dia mamboly hazo izahay hanalana ireo gazy karbonika sisa tavela anaty atmosfera ary mampianatra momba ny fikajiana ny tontolo iaianana an'ireo mpiara-miombona antoka.
Orange dia mpiara-miombona antoka amin’ny fampandrosoana. Mandrisika ny fananan'asan'ny tanora sy ny vehivavy izahay, amin'ny alàlan'ny Orange Digital Center. Manohana ny tontolon'ny fandraharahana ao anatin’ny sehatra nomerika izahay, amin'ny fanohanana ireo "start-ups" vao miforona, manana vina sy hiteraka fiantraikany tsara amin’ny lafiny ara-tsosialy
na ara-tontolo iainana. Ary mba ho fandraisana anjara feno amin’ny fampandrosoana lovainjafy eto Madagasikara, dia manohana ireo sehatra mampiakatra ny toe-karena malagasy izahay.
Orange dia manatanteraka ny asany ao anatin’ny politikam-pitantanana mendrika. Manaja ny fahamarinana, ny fanarahan-dalàna ary miady amin'ny kolikoly. Manentana sy mandrisika ireo mpiara-miombona antoka rehetra izahay mba hitovy fijery ary hiaraka hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ao anatin’ny fiaraha-miasa. Isan’izany ireo mpiasa, ireo mpiara-miasa ary ireo mpamatsy anay.
Ny stratejia « Lead the future » dia natao handrafitra ny ho avin’ny Orange ary miankina tanteraka amin’ny fahaiza- manao hatrizay.
Ny tanjona dia ny hamolavola ny tontolon’ny fifandraisan-davitra araka ny maha izy azy an’ny Orange. Ny vina dia ny hametraka vondron’orinasa mahomby , maharitra kokoa, mandray anjara lehibe amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ary manovo hatrany ny fahaiza-manao.
Retrouvez le compte-rendu de nos activités RSE 2022 ici.