Orange Madagascar
SA au capital de Ar 11.088.792.000
RCS Antananarivo 1997B00447
NIF : 2000002340
La Tour Redland, Ankorondrano,
101 Antananarivo, Madagascar
Laharam-pifandraisana : +261323456789
Mailaka : contact.oma@orange.com
Fanantotana ny tranokala
Ity tranonkala ity dia azo jerena ao amin'ny URL www.orange.mg, dia navoakan'i : Moringa
Fampiantranoana
Ny Orange Madagascar no mampiantrano ny tranokala
Talen'ny famoahana
Ny talen'ny famoahana ny tranokala dia i Carine LEFRIEC
Fananan-tsaina
Ny Orange Madagascar dia mampahafantatra ireo mpampiasa ity tranokala ity fa ny ankamaroan'ny fampahalalana sy angon-drakitra voarakitra ato dia voaaro amin'ny fepetra ara-dalàna mifandraika amin'ny zon'ny fananana ara-tsaina. Araka izany, mampahafantatra ireo mpampiasa azy ny Orange Madagascar fa marika voasoratra anarana avokoa ireo marika ara-barotra rehetra voalaza ato amin'ity tranokala ity ary voaaro amin'ny zon'ny mpamorona ny sary miseho ato.
Ny vaovao rehetra eto amin'ny tranonkala dia fananan'i Orange Madagascar na fananan'ireo mpiara-miasa izay nanome alalana ny Orange Madagascar hampiasa azy. Ny fanehoana, ny famokarana, ny fampiasana, ny fampifanarahana na ny fanovana amin'ny ankapobeny na amin'ny ampahany ary ny fitrandrahana, na amin'ny ampahany, amin'ity vaovao sy angon-drakitra ity dia voarara raha tsy nahazo alalana mivantana avy amin'ny Orange Madagascar. Ny tsy fanarahana ity fandrarana ity dia mety hiafara amin'ny andraikitra sivily sy heloka bevava ho an'ny mpampiasa ity tranokala ity.
Fitsipika momba ny votoatin’ny Orange Madagascar Manaja ny votoaty zarain'ny mpampiasa azy ity ny Orange Madagascar
Ireo tolotra ireo dia mifototra amin'ny fahalalahana maneho hevitra. Mba hiantohana ny fitsipiky ny
fahalalahana maneho hevitra Orange Madagascar dia misy fetra. Ireo fetra ireo dia manaraka ny fitsipika ankehitriny ary manampy amin'ny fitazonana ny kalitaon'ny serivisy.
Hajao ireo fetra ireo, izay manana anjara toerana lehibe amin'ny fahatsaran'ny Orange Madagascar. Mety hiova ny fitsipika etsy ambany.
Ny votoatin'ity tranonkala ity dia fehezin'ny Lalàna N° 2014-006 momba ny ady amin'ny heloka an-tserasera.
Politika an’ny cookies
Inona no atao hoe cookie? Rakitra kely izay mety ho voatahiry ao amin'ny solosainao rehefa mitsidika tranokala ianao. Mampiasa cookies izahay hanodinana sy hamantarana ny angona. Afindra any amin'ny disque dur anao ny cookie ary mirakitra ny angon-drakitra ampiasainao mba "hampatsiahy » ny toerana nojerenao tao amin'ny tranokalany. Izany dia ahafahanao mitsitsy fotoana sy miditra mivantana amin'ireo ampahany amin'ny tranokala izay mahaliana anao indrindra. Raha tianao dia azonao amboarina ny navigateur anao tsy handray cookies. Manao izay rehetra azonay atao izahay mba hahazoana antoka fa ny tranokalanay dia manome anao izay tadiavinao. Noho izany, dia mety hamakafaka ny angon-drakitra tsy fantatra anarana voaangona amin'ny alàlan'ny cookies amin'ny fahazaranao mijery ny tranokalanay izahay. Ity angona ity koa dia ahafahantsika mandrefy ny fahombiazan'ny dokam-barotra ataonay.
Angon-drakitra manokana
Voarakitry ny lalàna N°2014-038 tamin’ny 9 janoary 2015 momba ny fiarovana ny angon-drakitra manokana eto Madagasikara .
Fepetra mahakasika ny tsy fiandraiketana
Spotify dia tsy manome antoka ny servisy, na ny votoaty na ny endri-mpampiasana hafa amin'ny alalan’ny Spotify, ka ampiharina amin'ny bonus n’ny angovo (mozika streaming). Ireo fampiasana rehetra misy ao amin'ny Spotify dia voaisa ao amin'ny fampiasana angon-drakitry ny mpanjifa ary mety hisy sarany izany, izay azon'ny Orange Madagascar takiana aminao araka ny saram-pifandraisana ampiasainao . Ankoatr'izay, ireo angona misy fihenam-bidy dia tsy voatery mihatra amin’ireo fampiasana misy ao amin'ny rindra-kajy.
Noho izany, Spotify dia tsy tompon'andraikitra amin’ny mety ho fakitioran’ny angona avy amin'ny orinasa Orange Madagascar.
Nohavaozina farany tamin'ny 26 Oktobra 2023