Hafatr'i Frédéric Debord

Le-mot-du-DG-HD

Frédéric Debord
Tale Jeneraly, Orange Madagascar

Twitter : @DebordFrederic

Mampiasa ny teknolojia entina mampandroso

Ny tanjon’ny Orange Madagascar dia ny hametraka ny teknolojia ho hampiasain’ny daholobe ka ho lasa fanavaozana izany rehefa ilaina. Ary rehefa afaka ampiasain’ny rehetra izy dia lasa fandrosoana ihany koa.

Izay no imasoana ato amin'ny Orange : mampiasa ny teknolojia entina mampandroso. Tanjonay ny hanampy  an’i Madagasikara amin’ny fampiasana ny nomerika.  Ary mametraka ny lanja maha olombelona izahay amin’ny fanombohana sy fiafaran’ny asa rehetra ataonay .

Mba hahatratrarana izany dia manana fahaiza-manao maro Orange, anisan'izany ny fampiasam-bola lehibe ho an'ny fifandraisana  tsara kokoa, ny fampivoarana ireo tolotra amin’ny finday ary ny ekipa lahy sy vavy feno fanoloran-tena.

Izahay ihany koa dia manohana ireo "startups" ara-tsosialy sy ireo mpikirakira teknolojia.  Izany indrindra no nanangana ny Orange Digital Center, tontolo natokana ho amin'ny fampivoarana ny fahaiza-manao nomerika sy ny fanavaozana. 

Miatraika amin'ny lafiny sosialy ihany koa ny fanohanana  ataonay. Orange dia orinasa tompon'andraikitra ary manana andraikitra manokana amin'ny mponina Malagasy.Noho izany dia manohana sy mamporisika ny firongatry  ny tetikasa sy tolotra vaovao izahay, mampiditra ireo fitaovana  "multimédia" sy "internet" ho an’i ireo mponina lavitra,  tsy tafiditra ao anatin'ny fiainana nomerika.

Orange dia mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny asa ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampivoarana ny foto-drafitrasa momba ny fifandraisan-davitra sy ny fanamorana ny fidirana amin’ny "internet" haingam-pandeha.