accueil > à vous la parole
à vous la parole
|
Salama, Mba maneho hevitra mahakasika ny raharaham-pirenena tompoko ka miala tsiny. Voalohany, fifanarahana no anton-dia tany Maputo, ka tokony ho marimaritra hiraisana izany no tokony ho banjinina fa tsy ny sitra-pony olona iray na vondron'olona miaradia aminy. Lazaina fa marimaritra raisina no tokony ho jerena, izay mamaly ny filan'ny firenena sy ny zavamanan'aina ao aminy, satria ireo vondron'antoko lazaina fa mamehy ny politika eto Madagasikara ireo dia ankasitran'ny vahoaka malagasy rehetra na dia misy aza ny voatohana manokana nohon'ny fahefana ampelan-tanany. Ireo vondron'antoko ireo dia samy manana ny maha izy azy eto amin'ity nosy ity. Miteny an'izany ny tenako satria i Madagascar dia tsy ao Antananarivo ihany ary ny malagasy dia tsy Merina irery ihany na vahoaka moninna ao Tanà. Ka ny fomba hahafahana hilaza fa ny vahoaka malagasy manohana vondron'antoko atsy na aroa dia laviko marin-drano satria tsy misy tokony hafaka hilaza an'izany isaka rehetra raha tsy avy amin'ny alalan'ny latsa-bato miafina manerana ny nosy, izay hanjakany mangarahara sy hoalavirin'ny hala-bato. Noho izany tompoko, raha ny hevitro manokana de zao ihany : voalohany, raha mahavita manao izany latsa-bato zany ny fitondrana ankehitriny dia tokony miroso amin'izany ka hanontaniana amin'izany ny hoe "lanin'ny vahoaka malagasy ve i Andriamatoa Monja hipetraka eo amin'ny PM amin'ny fitantanan ny tetezamita? raha lany izy dia miaraba azy ny tenako ary hnolotra azy osy anan-kiray. Faharoa, miankina amin'ny fahatsapany tsirairay fa marimaritra iraisana no hahatonga sy hahatsapana fa vondron'antoko atsy na olona aroa no hatao PM na ireo toerana isan-karazany. Eto aho manararaotra kely, raha sanatria ka tena tsy ho hisy intsony ny marimaritra hirasana ka ho tonga ny fanasaziana ataon'ny mpamatsy vola, inona ary no mba fampitoniana ataon'ireo milaza fa tia malagasy amin'izay fahoriana hianjady aminay saranga ambany aty. Aiza ho aiza ary ny famatsiam-bola avy amin'ireny arabo ireny, sa matahotra ny tenin'ny Gal RAMAKAVELO ,izay matahotra tsy hahatana finoany ka ho lasa silamo..Mampalahelo tokoa satria na dia 7 taona aza nanjakany FJKM dia izahay silamo malagasy (20%) mbola tsy nisy nivadika ho lasa FJKM; Manana vahaolana ve Mon Gal? MISAOTRA BETSAKA
commentaire (0).
|
|
