TSY FERANA- Erick Manana

Misy fitia tsy maty fa mifikitra ao am-po
Hodian-tsy hita mankarary alevina tsy mety ho lo
Totofana vao miha-mitsiry
Ilaozana manangatra
Injao fa re mangirifiry
Rehefa ianao tsy tazana
Salovanao mandindona
 
Ny làlana nizorantsika ‘lay fitia tsisy irika
Fa làlan-tokana izy ity mivavahady rindrina
Ny fo mitempo sisa reko
Izy tsy mety mionona
Tsy te-hahalala hoe hatreto misy tsy azo hihoarana
Mitia tsisy tahotra.
 
Fitiavako anao tsy ferana
Maditra tsy hay lembenana
Mandoro raha kobonina
Fitiavako anao tsy ferana
Maditra tsy hay lembenana

Mandoro raha kobonina

Commentaires

Faramalemy for Jimcat

ah l'amour

mar, 18-08-2009

c'est vrai mitia tsy misy tahotra , tsy ferana

ah! c'est touchant

Vanille

ct moi

jeu, 23-10-2008

za iany ty O!

anonyme

Tsara!

jeu, 23-10-2008

Io hira io zany a, anisanle heno mande eny fOna fa on ne se rend pas compte de quoi ça parle quelques fois, tsara b nefa le contenu e! otrzay ko le ray le oe"Vonikazo adaladla" Erick manana iany, parole an Rado angamba iz zay

ajouter un commentaire