AVERIKO AMINAO , 'zay

Toa misy ahiahy ao aminao
Mikasika ny fitiavako
Hoe hatraiza ny halaliny
Ndrao handratr’ilay fo
 
Nefa tsy sahy milaza
Fa toa matahotra
Indro averiko aminao
Ilay efa nambarako
 
Ilay foko efa tony dia tony tamin’iny
No efa nanambara izay tena tiany
Voatonona tao ny anaranao
Ka tsy miova izay
Hatramin’izao.
 
Hatramizay aho tsy mba nisehoseho
Tsy mba nanao be fiavy
Tsy hoe ny fitia akory no tsy ampy
Ka nahatonga anao hanahy
 
Nefa tsy sahy milaza
Fa toa matahotra
Indro averiko aminao
Ilay efa nambarako
 
Ilay foko efa tony dia tony tamin’iny
No efa nanambara izay tena tiany
Voatonona tao ny anaranao
Ka tsy miova izay
Hatramin’izao.
 
Izay midika fa

Ny foko ho anao…..

Commentaires

anonyme

Album de Zay

mar, 26-05-2009

Ou est-ce qu'on peut trouver les 2 premiers albums de Zay et quand est ce que le dernier va sortir en audio

ajouter un commentaire