Antso ho anao

ANTSO HO ANAO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

Raha misy ratram-po na azom-pahoriana ianao
Dia làlana lalovana io mba hanefena anao
Na dia mavesatra aza tsy hanariana ny finoana
Ho maivana aminao rehefa Jeso no antsoina

Tsarovy koa fa maro no mivavaka ho anao
Izay efa niharam-pahoriana mafy toy izao
Iray no nitokiany dia Jeso izay tsy mandao.
Hampody ny haizina mba ho maraina vaovao.

Matetika na sambany ianao
No iharam-pitsapàna toy izao ?
Dia aoka hazava tsara
Fa misy tiany hambara
Fitiavana no anton'izao
Sady efa antso ataony aminao
Ny hiovanao fo raha tsy fantatrao
Valio izao antso izao

Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka
Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika
Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao
Hampody ny haizina mba ho maraina vaovao

Matetika na sambany ianao
No iharam-pitsapàna toy izao ?
Dia aoka hazava tsara
Fa misy tiany hambara
Fitiavana no anton'izao
Sady efa antso ataony aminao
Ny hiovanao fo raha tsy fantatrao
Valio izao antso izao

Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka
Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika
Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao
Ka manatsotra tanana Izy ta-handray anao

Ajouter un commentaire

  • Les adresses de pages web et de messagerie électronique sont transformées en liens automatiquement.
  • Les lignes et les paragraphes vont à la ligne automatiquement.

Plus d'informations sur les options de formatage

CAPTCHA
Système de prévention contre les envois massifs de spam.
Image CAPTCHA
Copier les caractéres (en respectant les majuscules et les minuscules) depuis l'image.