Miverena aty Antsihanaka

Efa ela loatra izao no nandehananao
Nandao ity toerana izay niarahana
Tsy misy anefa, tsy misy azoko natao
Afa-tsy ny mirary ny hiverenanao
Izay rehetra nahita ahy
Nandatsa ahy avokoa
Tsy kivy anefa aho fa manana anao

Mba miverena aty antsihanaka aty e
Raha reninao izao antsoko izao e
Mba miverena aty antsihanaka aty e
Havanao anie ity nilazanao ity

Na lavitra aza ianao, aza adino ny efa vita
Aza adino hoy aho na dia iray minitra
Ny taratasy ihany anie no ataovy sesilany
Izaho aty manina ka mitomany
Iny soratanako iny anie
Aoka mba ho am-batanao
Fa iny no solontenako hamangy anao

Mba miverena…..

Ajouter un commentaire

  • Les adresses de pages web et de messagerie électronique sont transformées en liens automatiquement.
  • Les lignes et les paragraphes vont à la ligne automatiquement.

Plus d'informations sur les options de formatage

CAPTCHA
Système de prévention contre les envois massifs de spam.
Image CAPTCHA
Copier les caractéres (en respectant les majuscules et les minuscules) depuis l'image.