MITADIAVA IANAO > Poopy

 

Mitadiava ianao
Mandritra ny fiainanao
Tsy adalainao raha izaho
Fa tsy hahita akory ianao
Olona iray hitia anao tahak’ahy
Mbola tia sy ho tia anao
 
Tsy misy hahafoy izay nomeko anao
Na afaka hanambara fa izaho ho leo anao
Mitombo isan’andro
Ny fitiavako
Ny omaly resin’ny anio
 
Tsy hihazona anao aho
Satria tiako hahita ianao
F’izaho no mbola tena tia
Fantatro fa tsy hahita anao
 
Tsy misy hahafoy ny haben’ny foko tia
Hafohiko hatramin’ny aiko
Raha ilaina ho anao
Hanam-paharetana aho
F’izaho irery no hahay
Hahazaka ny tsy mety ataonao