HO IRAY , Poopy

Tonga izao ilay ora
Nandrasatsika ela izay
Androntsika roa izay
Hanambatra ho iray
Ny aiko sy ny anao
 
Ilay bitsiky ny fo
Nandrotsirotsy ahy taloha
Indro tonga ho hira
Nampifoha indray ny taloha
 
Manomboka izao
Dia tsy ho irery intsony ianao
Fo saina iray no hoentintsika
Hamakivaky
Ity fiainana ity , Ity fiainana ity
 
Foiko manontolo
Izay hahasoa sy hahasambatra anao
Mahazo mahatoky ahy ianao
F izay mamy indrindra izao
No efa foiko ho anao
 
Ny androko rehetra
Foiko omeko anao
Tsy asiako fetra mba hanjakanao
Lazao izay sitrakao
Izay tianao ho ambarao
Omeko anao, satria tiako ianao.
 
Santarintsika izao ny ho avintsika feno fifaliana
Fiainana iriako hiankina amin’ny Ray Tsitoha
Raha mbola misy toetra iray tsy tianao
Vonona aho ny hiova raha mbola izao no hahasambatra anao
 
Tsy ho lefitry ny fo
No hanao izay hampalahelo anao
Satriko isan’andro ho tsiky no handravaka
Ny endrikao, ny endrikao
 
Foiko manontolo
Izay hahasoa sy hahasambatra anao
Mahazo mahatoky ahy ianao
F izay mamy indrindra izao
No efa foiko ho anao
 
Ny androko rehetra
Foiko omeko anao
Tsy asiako fetra mba hanjakanao
Lazao izay sitrakao
Izay tianao ho ambarao
Omeko anao, satria tiako ianao.
 
 
 
 
 

Ajouter un commentaire

  • Les adresses de pages web et de messagerie électronique sont transformées en liens automatiquement.
  • Les lignes et les paragraphes vont à la ligne automatiquement.

Plus d'informations sur les options de formatage

CAPTCHA
Système de prévention contre les envois massifs de spam.
Image CAPTCHA
Copier les caractéres (en respectant les majuscules et les minuscules) depuis l'image.